Mamindrà fo (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ry Raiko feno fiantrana oh, Jereo aho ka henoy ny fitarainako
Atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako ,sokafy ny fonao handray ny fangatahako
F’ianao no nampirehitra ny jiroko ,loharanom-pamonjena ho an’ny mpino
Fa ianao no tokiko sy heriko , harambato mandako mpanafaka ahy ( Indroa )

Mamindrà fo amiko , Ianao Tompo oh
Mamindrà fo amiko , fa reraka aho
Mamindrà fo amiko , ianao Tompo oh
Fa mihozohozo ny taolako

Aza ny fahatezeranao no hananaranao ahy
Fa fantatrao ny fahosako ry Tompo oh
Aza ny fahaviniranao no hamaizanao ahy
Fa tsofy rano aho ry Ray fa zanakao
Fa tsy foinao ho amin’ny seholy ny aiko
Ataovy mahagaga ny famindram-ponao
Mitsangana ka aripaho ireo fahavaloko
Arovy mafy aho mba tsy ho solafaka

Mamindrà fo amiko , Fa mitebiteby ny fanahiko
Mamindrà fo amiko , Fa efa sasatra misento aho
Mamindrà fo amiko , ianao Tompo oh
Mamindrà fo ka sitrano aho

Miverena ianao Tompo oh , ka hafaho ny fanahiko
Miverena ka vonjeo aho nohon’ny famindram-ponao
Fa tsy misy hahatsiarovana anao amin’ny fahafatesana
Zovy no hidera anao Tompo oh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Vangy : 451
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Daty : 20/12/2021 21:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1685