VOAFETRA (Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voafetra ihany, izay ny eto antany
aza dia sondriana revon'izay tiana
fa ny fiainana eto anie ka mampisento
hita miharihary simba ny voary
tsara ny tontolo nefa tsy mba voakolo
simba ny toetsaina tsy hay tanisaina
tena mahonena ity fitiavan-tena
izay nahazo laka sy niorim-paka

Voafetra ihany, izay ny eto antany
aza dia sondriana revon'izay tiana
fa ny fiainana eto anie ka mampisento
hita miharihary simba ny voary
tsara ny tontolo nefa tsy mba voakolo
simba ny toetsaina tsy hay tanisaina
tena mahonena ity fitiavan-tena
izay nahazo laka sy niorim-paka

Eo anilanao JESOA no mahatsara ahy
mandry ivohon'ny vato fa ianao no miahy
Resy lahatra ny foko tsy manahy
fa ianao no fitsaharana am-panahy
ianao no ekena fa nitondra famonjena
fahendrena ho ahy ny manolontena
faniriana tena nofinidy tsy terena
tanjona Jesoa ny fiainam-pandresena

Eo anilanao JESOA no mahatsara ahy
mandry ivohon'ny vato fa ianao no miahy
Resy lahatra ny foko tsy manahy
fa ianao no fitsaharana am-panahy
ianao no ekena fa nitondra famonjena
fahendrena ho ahy ny manolontena
faniriana tena nofinidy tsy terena
tanjona Jesoa ny fiainam-pandresena
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega
Hits : 125
Likes : 0 Like
Created by : NyAinaRkt
Date : 07/05/2024 12:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728