VADIKO TIAKO (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mankasitraka indrindra Andriamanitra ô
Eny misaotra Anao
Fa nekenao ka tontosa androany Ray ô!
Ny faniriako
Nomenao vady tsara aho ry Tompo
Ilay anjara tinendrinao
Vady tiako, ilay tsy foiko mamiko tokoa
Andefimandriko
Ka hajaiko, ho lalaiko, ho kajiko Ray ô!
Fa silaky ny aiko

Ka misaotra ry Ray, mankalaza Anao
Fa nomenao vady sahaza aho izao
Vady tolotra avy aminao Ray
Fa silaky ny aiko
Mahasaro-piaro ahy tokoa
Ka dia arovako

Nentinay teo anatrehanao Jeso
Ny fanambadianay
Nohamasininao nohamarininao
Tokantrano sambatra
Ireo voady natao anatrehanao
Dia efainay tokoa
Hoe na faly na ory izahay eto an-tany
Tsy hifandao izany
Hifanoa, hifameno, hifamatsy
Mandrapahafaty

Ho fadiko ny lainga sy ny fitaka
Sanatriaviko ny hanitsakitsaka
Ity vady malalan’ny foko
Tsy hitoloko
Tsy atakalo, tsy soloiko fa lazaiko
Fa sombin’ny aiko
Vady tiako, fifaliako tsisy aok’izany
Fa tokana an-tany
--------
Link:
Comments
Sylah ( 04/04/2024 15:22)
Mankasitraka indrindra tompoko!
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIFITIA
Hits : 1820
Likes : 3 Like
Created by : VOLAFIHA.
Date : 25/10/2022 19:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812