SOA JESO FA EO IANAO ... (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
   He manonja e manonja ô,ny onjam-piainana
   Ka mila ho rendrika ny sambokeliko
   Izay jereko haizim-pito, takon-dava ny ampitso
   Iza re ? ô iza? no hamonjy ahy
          Soa Jesô fa eo Ianao Mpamonjiko, Mpanavotro
          Atsotrako Jesô ny tanako,avoty aho raha sitrakao
          Anaro re Jesô ny rivotra hangina tsy handrivotra
          Teneno  Jesô ny haizim-be hisava io raha vao mandre
He mafaitra ka tsy laitra izany fahoriako
Ka mila hankarary sy mila hampamoy fo
Fitsapana mazana tokoa ady mankarary an-doha
Iza re? ô iza ? no hamonjy ahy
          Soa Jesô fa eo Ianao nandresy izao tontolo izao
          Sokafako Jesô hidiranao ny foko ka dia hanjakao
          Sao mantsy ka ny otako no antok'izao sedra izao
          Hifonako Jesô ka avelao raha ankaso kosa dia ravao
He mafonja ka tsy tondra itony zioga entiko
Ka mila hanapaka ny fara hatoko
Fa ny tafik'i satana tsy misy fiafarana
Iza re?ô iza? no hamonjy ahy
         Soa Jesô fa eo ianao izay mpandrava sarotra
         Ka azo antoka fa tsy mandao Mpiandry tsara Matotra
         Ka ny manjo an-koditro ny tafik'ilay rafiko
         Hisava Jesô ho dila ireny raha vao Ianao no miteny
--------
Link:
Comments
hasina.alisoa ( 11/11/2015 20:27)
tena manonja tokoa ny fiainana kanefa JESOA tsy mba mandao ny mpanompony mihitsy.Mazotoa daholo o!
jamesbond ( 09/07/2016 08:58)
Andriamanitra manana hevitra hiheverany ny mpanompony, ka na mafy aza ny zavatra lalovana eo @ fiainana dia misy lalana tiany hitondrany ny olony. Mahereza daholo e
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIFITIA
Hits : 29262
Likes : 10 Like
Created by : leon
Date : 24/08/2011 19:42
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132