Raha toa ka tsy teo ianao Fanahy (AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa ka tsy teo ianao Fanahy, asa izay nanjoa anay (x2)

1- Iza no afaka hanala alahelo, hizara hafaliana
Hanasitrana aretina, mamelombelona izay idonam-pahoriana

2- Iza no afaka hanolon-tsaina, raha tojo ny tsy hay
Hanoro ny lalàna ho enti-miaina ho any amin’ny mandrakizay

3- Iza no afaka hanamasina, anay mba ho mendrika anao
Hizara ny soa, izay katsahina eto amin’izao fiainana izao

4-Iza no afaka hanome hery, hanoherana ny mafy
Hanampy ny olona mba tsy ho very hanalavitra ny (an’ilay) ratsy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1348