TAZONY NY FINOANA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tazony ny finoana
Satria tsy tambo isaina izao
Ireo karazana fivavahana
Izay mitsangana etsy sy eroa
Ka tsy hita ny arahana
Hafa ny eto, hafa ny atsy
F’ireo indray no mifanaratsy satria
Samy manao ny azy ho marina
Amin’ny hevitra amboamboarina

Ref: Aza sodokan’ny randram-bao
Fa tazony mafy ny anananao satria
Ny Tompo tompoina dia iray
Ka nahoana ny sasany no hambany
F’isika mitazona ny antsika
Samy manaja ny azy ho tsara
Izay o tiany hambara

2-Nisy diakona iray
Natongavan’ny sasany tao an-tranony
Noreseny lahatra
Dia lasa nankany amin’I Pasitera hoe
Izaho dia hitsahatra
Nentiny koa ny ankohonany
Hanao veloma ity fiangonana ka
Nivadika ony mpitory an-tsena
Satria tsy hay nofefena

3-Raha misy tanora any
Tsy mety mivavaka sy tsy mino
F’irony mpaniratsira
Taomy sy ento tambatambazo
Ampidiro ho antoko mpihira
Lazao azy ny lafitsarany
Mba hitsijovany ny any am-parany fa
Tsy natao ho an’ny jentlisa
Ny handrombaka paradise
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Hits : 1218
Likes : 0 Like
Created by : HANITRYNYLANITRA
Date : 08/05/2017 15:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776