Tantara taloha (Agrad sy Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any amin'ny hafa mandeha fa aza aty no manontany
Dia izay mombamomba ahy retraretra aloha hadinoy any
Dia raha mbola misy fo mitepo amiko any sakano
F'izaho tsy te hierika intsony fa sao hidiran'angano

Raha hoe hiverina aminao aloha izany tsy hataoko
Na ho tambatambazana hipoly tsy ahoako
Ny atsika efa tantara taloha
Avelao any aza avela hifoha
Fa sao sanatria hifandratra fo

Tsisy nanenenako ireo vitantsika fahiny e
Isaorako anao aza fa nampiova ankehitriny
Nampianatra anahy namindra fa tamin'izany aho mbola bado
Malemy toy ny zazakely ilay foko mora babo

Tsy anjara ny antsika aleo ekena
Aleo koa tsy terena
Fa mampijaly tena

Raha hoe hiverina aminao aloha izany tsy hataoko
Na ho tambatambazana hipoly tsy ahoako
Ny antsika efa tantara taloha
Avelao any aza avela hifoha
Fa sao sanatria hifandratra fo

Ananako maro f'efa lany, raha ny fandeferana e
Ampy izay aloha ny indrafo sy ny fitserana e
Ndao, izay tsy liana omen-dalana
Irariana tsy hisy loza hitsivalana
Izay vita aleo tantara, tsy arahana kafara
Misy hananarana an'ireo taranaka afara
Na hitomany hifokofoko ny ahy efa niova loko
Efa hafa indray no antsoiko k'aza aty mitotototo

Tsy anjara ny antsika aleo ekena
Aleo koa tsy terena
Fa mampijaly tena

Raha hoe hiverina aminao aloha izany tsy hataoko
Na ho tambatambazana hipoly tsy ahoako
Ny atsika efa tantara taloha
Avelao any aza avela hifoha
Fa sao sanatria hifandratra fo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Agrad sy Skaiz
Hits : 4247
Likes : 1 Like
Created by : Liva_R
Date : 25/09/2019 22:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2086