Ekeo re (AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                            EKEO RE!
  I)  Ekeo fa ny Tompo no Mpamonjy
    Mpanafaka andry sy tena toky
    Tsy tsapanao fa izy no mamaha
    Ireo olana izay mitady hamatotra
    Ekeo koa izay tena fitondrany
    Fa mahasoa anao tokoa izany
    Ho fantatrao izay tena fikasany
    Ho hitanao ny fandaharany

Ho anao izay manaiky azy ho Tompo
Aoka mba hiala @ loto
Ekeo f’aza mba misalasala
Ny fitiavany anao

     II) Ekeo fa izy irery ihany
         No lalana sy fahamarinana
         Raha sendra ka misy ny adin-tsaina
         Dia aza mba misalasala ianao
         Fa izy anie dia vonona hatrany
         Hanampy anao,hanala ny tomany
         Ekeo fa ny fiainantsika rehetra
         Dia raisiny ary tantanany

Ho anao ...........

ANDRIAMAHAZOMANANA Jaona
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy)
Hits : 3171
Likes : 0 Like
Created by : Raliterahanitriniaina Nirina
Date : 19/09/2003 08:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823