Ny foko vao nitia (Abel Ratsimba)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izany foko vao nitia, matokia fa ho anao ho doria
ka na iza na zovy hifofo, ny fitiavako anao no porofo

Raha tojo adin-tsaina mampanahy
matokia raha mbola manana ahy
fa ny toky sy ny voady izay nekeko
no vavolombelon’ny fitia ’zay nomeko

Hiara-dia izaho sy ianao
hifampitantana ka tsy hifandao
ka na ory na manana eto an-tany
tiako ianao hatreto ka hatrany
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Abel Ratsimba
Visites : 8865
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Harisoa
Date : 23/03/2003 11:13
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1089