Pi (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny indray ianao fa efa mamo ôôoo
Tsy nisotro fa nitanina andro aaa
Ny any anaty efa tranon-toaka ôooo
Hatrizay tsy nahalala aoka aaa

Mbetika mangovitra ny tanan'ialahy
Tsy zarizary ny fahasalamana
Tsy handry intsony ny ora hisokafan'ny bara
Hibakoana ilay kosôm roanjato

Ka raha mbola tsy ampy vola an-tanàna
Dia efa amidy hatramin'ny bavin'ialahy
Toaka nanariana ny fanahy

Toa tsy ho velona elah raha vao tsy handalovam-pi!

Henokenoko ihany ny tantaran'ialahy
Nareo hono taloha tsara karama e
Nanomboka nangovitra ny tanan'ialahy
Nihozongozona ny fiainana dia rava

Safidy ve ilay izy sa tsy fidiny lery e
F'izaho mitazana aho mahita an'lah gadra
Mbola revy ve ilay toaka rehefa lerana isan'andro

Toa tsy ho velona elah raha vao tsy handalovam-pi!

Valio aloha ilay kozy
dia amin'izay vao mety handeha
ny toto-tanana sy daro miampy voanjo
Hoentiko manampatra ny tendalah elah raha izany

Mbola revy ve hoy aho sa fahalemena izy ity
Sao taraiky elah fa gadragadrain'ny Pi
Mbola revy ve izao sa fahalemena ry lery e?
Sao taraiky elah fa gadragadrain'ny pi!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 56
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 29/09/2024 13:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3541