Havako anie izy izay (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Havako anie izy izay
Olona mamin’ ny foko,
Anio sy ho mandrakizay
Tsy mainlsy ho kolokoloiko.

Havako izy izay,
Havako tokana loatra
Ny fonay nikambana ho iray
Manomboka ety sy any an-koatra.

Na ho inona toetran’ izao,
Na ho ory, na tsy misy mpijery,
N’ iza n’ iza, no efa nandao,
Ho havako, izaho samy irery.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854