You are here: home > Tononkira > Njakatiana

Fetinao androany (Njakatiana)

Imprimer Facebook Facebook

’Zao indray no iarahabako anao
Mitsingerina androany ny nahaterahanao
Mitsikia sy mifalia sy miravoa
Fa ny anio dia andro soa tokoa

Ny hafalianao hafaliako ihany koa
Ny hasambaranao no tena hasambarako tokoa
Ho tanteraka tokoa izany anio
Ny ato antsaina ny fo madio

Izaho anefa tsy mahatakatra
Zavatsarobidy fatratra
Tsiky dia ampyFa ny atolotro izao dia ny hira ho anao

fiv:
Arahabaina fa tratry ny fetinao
Arahaba ka manoroka anao
Mba ho lava andro iainana ety
Hiaraka eto foana sy hifankatia.

’Zao indray no iarahabako anao
Mitsingerina androany ny nahaterahanao
Mitsikia sy mifalia sy miravoa
Fa ny anio dia andro soa tokoa.

..-:: Atolotra manokana an’i Oully ::-..

Hametraka hevitra

Midira aloha
Mpihira : Njakatiana
Mpamaky : 4968
Nampidirin'i : dd
Tamin'ny : 02/08/2003 03:40:47
ID : 1817

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo