Tsy misy ny doria (Mahaleo)
Mpihira : MahaleoMpamaky : 2866
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 17/03/2007 16:15:19
ID : 4297 Hiara-hiaina ny andro androany
ho toa ny andro farany
hiara-higoka izay mety ho mamy
mandramampe ny tarany
ny maso hikipy tsy hahita
ho tapitra ny fofon’ aina
ho hanenenana izay tsy vita
fa ny ankoatra izay tsy hilaina
satria ny vintana sy anjara
no mamaritra ny dia
rampitso ny lalantsika mety hizara
satria tsy misy ny ho doria
rampitso fanotaniana
mety ho vatana mangatsiaka
ande higoka izay mety ho tiana
eny masoandro mibaliaka
isaky ny andro izay mifoha
mety ho farany ho tadidy
ataovy andro feno soa
ho fataperana
satria ny vintana sy anjara
no mamaritra ny dia
rampitso ny lalantsika mety hizara
satria tsy misy ny doria




