Zimbo (Lolo sy ny tariny)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zanaka Bara ialahy na zana-tSakalava na zanak’Ambaniandro koa éFanirian’ialahy hatramin’izay ny ho lasa miaramila matiloa é.
Saingy tsy anjaran’ialahy velively no mandahatra an’izany a
Indro ialahy fa lasa miaramila, miaramila ambonin’ny tany a.
An an, nefa lavi-dranomasina (2)
Henjakenjana ny fiainan’ialahy tany ambanivohitra taloha é.
Hany ka moramora tamin’ialahy ny nandeha nitodi-doha.
Nisy bekibo nilaza tamin’ialahy handeha ho any Antananarivo
Ny karama nomeny an’ialahy zara raha mihoatra ny arivo.
Nefa lavi-dranomasina.
Nataony FRS ialahy
Dia nihevitra tsy ho resy ialahy
satria
niambozona ny basy marovava jiosy a (2).
Antananarivo anie ka malaza, malaza maditra vahoaka é.
Indro ialahy fa voabaikon’ny ambony, voabaikon’ny ambony mba hitroatra é.
Dia nanomboka sabotsy maraina tsy nifarana raha tsy andro talata
basin’ialahy irery no miteny, niresaka nitatatata é.
Eee Tamin'ny 13 mey a.
Maromaro ny akamanareo no voalevon’ireo bandy kely a.
Saingy ialahy no tena kômandô ka afaka nitsoaka sy niery a.
Nandao fanjakana ny dadaben’ialahy, nandositra nankany Mandritsara.
Saingy ialahy no nahitahita nifikitra teto Vohitsara
Ho GMP a.
Fa mbola FRS ialahy
Mbola nihevitra tsy ho resy ialahy
satria
Mbola manana ny basy marovava jiosy a (2).
Nangidihidy ny tanan’ialahy nandritra an’ilay herintaona a
Ialahy bandy kely efa zatra combat, manondronondro lalana foana.
Nisy antokon’olona nilaza tamin’ialahy, nilaza ho tena fetsifetsy a.
Nampanantena nilaza tamin’ialahy, hanavotra indray ny FRS é.
Voafitaka ialahy a. (2)
Maromaro ny akamanareo no niakatra teny am-pitsarana a
Voaheloka mafy ianareo tamin’izany namono filoham-panjakana
Efa maty ialahy vao olo-malaza, maty teny Ambohijatovo.
Nalaza ratsy toy ny jiolahy, maty lavitry ny vovo.
Tsy nisy nitomany a.
Tsy nahazo môzôlé a.
Efa resy ialahy le Zimbo
Fa nihevitra tsy ho resy ialahy
satria
Navadiky ny basy marovava jiosy a (2).
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tarinyVangy : 10736
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 25/01/2002 13:55