TEBITEBY (Mihanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
In-telo aho no niantso anao tamin’ny alina,
Mila anao handrotsirotsy izany foko !
Fa nikotroka mafy, ny tato anaty,
Tebiteby mitambolona,
Fa indrisy anefa tsy tojo anao,
Ka ranomaso no mijohy.

Tsy nety nitony ny foko, tamin’ny alina
Indrisy fa tsy nisy nlqp akony ny antsoko !
                uhdfyly  Toa nipenipenina toy ny adala,
      tononkira.serasera.org            Tsy andriko intsony ny andro maraina.
                 Hiazakazaka aho hiantsampy aminao,
                            Nefa toa nofinofy…

Ety an-dalambe aho no mandefa ny sento,
Sahirana ny saiko, miantso anao !
Te hanonona mafy ny anaranao,
Mijaly ny fo dia mitaraina…
Ahiahy tokoa no mandrakotra ahy,
Nefa ianao no tokiko…
Te hanonona axcih mafy ny anaranao,
                         Mijaly ny fo dia mitaraina…
                         Nefa mino aho fa ianao koa,
                         Mieritreritra ahy foana !

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mihanta
Vangy : 1049
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenohasina28
Daty : 15/02/2023 06:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135