TEBITEBY (Mihanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
In-telo aho no niantso anao tamin’ny alina,
Mila anao handrotsirotsy izany foko phibm !
Fa nikotroka mafy, ny tato anaty,
Tebiteby mitambolona,
Fa indrisy anefa tsy tojo anao,
Ka ranomaso no mijohy.

Tsy nety nitony ny foko, tamin’ny alina
Indrisy fa tsy nisy akony ny antsoko !
                 Toa nipenipenina toy ny adala,
          tononkira.serasera.org        Tsy andriko intsony ny andro maraina.
                 Hiazakazaka aho hiantsampy aminao,
                            Nefa toa nofinofy…

Ety an-dalambe aho no mandefa ny sento,
Sahirana ny saiko, miantso anao !
Te hanonona mafy ny anaranao,
Mijaly ny fo dia mitaraina…
Ahiahy tokoa no mandrakotra ahy,
Nefa ianao no lcbgr tokiko…
Te hanonona mafy ny anaranao,
                         Mijaly ny fo dia mitaraina…
                         Nefa mino aho fnjx fa ianao koa,
                         Mieritreritra ahy foana !

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mihanta
Vangy : 1091
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenohasina28
Daty : 15/02/2023 06:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7864