Tiako loatra ianao (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy andriko ny maraina hahitana anao,
Na ny alina aza toa lany amin’ny fanembonana,
Miraikitra ato an-doha rnrb ilay endrikao.
Ny tsikitsiky malefaka mampite hanoroka.

Tsy haiko ny hangina
Te hiantso tononkira.serasera.org mafy ny anaranao
Fenofeno fanontaniana
Ianao foana no ambavako ao,

Tiako loatra ianao
Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
Lasanao avokoa ny fitiavako
Foiko ho anao daholo
Ny fiainako manontolo
Tsy rediredy sanatria fa tena tia.

Voaomana avokoa izay rehetra atao
Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao
Indraindray aza toa miteniteny foana
Ny tsisy aza foronina rehefa ikerqglu ianao manoloana.

Ity foko mitepo yesbmfxy tsy miato
Dia ianao tokoa no nambabo
Lasanao tsy nisy tavela
Ianao foana fa tsy hay fefena.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 18597
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 30/07/2002 15:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0143