Fitia fararano (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
raha lazaina aloha, hafa ihany koa
indray sabotsy hariva izay tao an-trano

izaho irery moa, sorena be tokoa
varimbarin’alahelo toy ny mamo

teo am-parafara, teo ny valiha
sarinao, penina sy taratasy
te hanoratra aho, te hihira koa
mifangaro anefa ireo tao am-po

tsy tsaroako akory, renoka aho natory
nanonofy toa nahita anao hatrany

nifoha aho ewqxxvxa avy eo, injay toa nisy feo
vetsovetso mba voasoratro ihany

teny ankiroa, efa fantatrao
nosoratako tamin’ny sarinao
teny kely ihany, wlac tononkira.serasera.org teny tena mamy
mitory hasambarana tsy lany

teny tena mamy yzukdjlo toy ny loharano
miritsoka fitia manganohano
toa feom-baliha fararano...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0526