Ho haiko ve (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho haiko ve
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanadino anao
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nampoiziko mihitsy ny hifampitantana aminao
Tsy noheveriko fa misy fitiavana efa anjaranao

Ho haiko ve
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanao veloma anao
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nosainiko mihitsy ny hisaraka aminao
Eny hay va re ka misy, misy fetra taminao

Jembin-dranomaso aho nahita anao
Nahita anao sy iny olona iny teo anilanao
Saika hitraotra hiantsoantso hoe \\\\\\\"tsy rariny\\\\\\\"
Nefa tsapako fa hadalàna no ho valiny


Ho haiko ve
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanadino anao
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nampoiziko mihitsy ny hifampitantana aminao
Eny hay va re ka misy, misy fetra taminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jérôme Randria
Vangy : 5623
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nagel
Daty : 25/04/2005 06:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734