Fitia fararano

Lohateny Fitia fararano
Nampiditra jazz666
Tamin'ny 27/04/2005 17:45
Vangy : 237
Em                    D(1)
RAHA LAZAINA ALOHA, HAFA IHANY KOA
D(2)D(1)                    C
INDRAY SABOTSY HARIVA IZAY TAO AN-TRANO

IZAHO IRERY MOA, SORENA BE TOKOA
VARIMBARIN’ALAHELO TOY NY MAMO

G                  D
TEO AM-PARAFARA, TEO NY VALIHA
Am                  Em
SARINAO, PENINA SY TARATASY
G                  D
TE HANORATRA AHO, TE HIHIRA KOA
C               G/B       Am           B7
MIFANGARO ANEFA IREO TAO AM-PO


TSY TSAROAKO AKORY, RENOKA AHO NATORY
NANONOFY TOA NAHITA ANAO HATRANY

NIFOHA AHO AVY EO, INJAY TOA NISY FEO
VETSOVETSO MBA VOASORATRO IHANY

TENY ANKIROA, EFA FANTATRAO
NOSORATAKO TAMIN’NY SARINAO
TENY KELY IHANY, TENY TENA MAMY
MITORY HASAMBARANA TSY LANY


TENY TENA MAMY TOY NY LOHARANO
MIRITSOKA FITIA MANGANOHANO
TOA FEOM-BALIHA FARARANO...

D(1)        D(2)
e---2----  ----5----
B---3----  ----3----
G---2----  ----2----
D---0----  ----0----
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0076