Fitia fararano (Jérôme Randria)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
raha lazaina aloha, hafa ihany koaindray sabotsy hariva izay tao an-trano
izaho irery moa, sorena be tokoa
varimbarin’alahelo toy ny mamo
teo am-parafara, teo ny valiha
sarinao, penina sy taratasy
te hanoratra aho, te hihira koa
mifangaro anefa ireo tao am-po
tsy tsaroako akory, renoka aho natory
nanonofy toa nahita anao hatrany
nifoha aho avy eo, injay toa nisy feo
vetsovetso mba voasoratro ihany
teny ankiroa, efa fantatrao
nosoratako tamin’ny sarinao
teny kely ihany, teny tena mamy
mitory hasambarana tsy lany
teny tena mamy toy ny loharano
miritsoka fitia manganohano
toa feom-baliha fararano...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Jérôme RandriaVangy : 6191
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Rija Razafimahefa
Daty : 23/09/2003 17:59