You are here: home > Tononkira > Jérôme Randria

Hasambarana (Jérôme Randria)

https://tononkira.serasera.org/hira/jeroma-randria/hasambarana-4

Atao ahoana moa, ahoana tokoa
Ny filaza aminao ny hasambarana miaina anatiko ao
Ahoana moa ny fiteny
Raha izao rehetra izao no zava-poana raha tsy eo anilanao
Foiko, tsy tsaroako akory
Ny amiko rehetra rehetra
Ny amiko, ny taniko, ny kilalao
(miverinatononkira.serasera.org indroa)

Zay rehetra sitrakao lazao
Ho tanterahiko avokoa
Sambatra aho eny sambatra
Mitoetra eto anilanao
Ampy ve ny fiteny
Hilazako ny fitiavako
Raha izao tontolo izao ry aiko foiko noho hianao
(miverina indroa)

Atao ahoana moa...
....
Ny amiko, ny taniko, ny kilalao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jérôme Randria
Mpamaky : 4788
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 20/05/2005 06:13:58
ID : 3126

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo