NOFY LALINA (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay endrikao zay nahasarika ahy
Lay toetranao tsara fanahy
Malefadefaka fijery, maontina fomba sy fiteny

Reny rehetra ireny
No nahatonga ahy hanofy anao
NOFY LALINA, tanaty alina
Izay niainantsika sy ianao

REF: Lay nofy mamy mampanontany
        Hoe vita lasitra ato an-tsaiko
       olquu   Tsy hay vonoina, ho adinoina
    tononkira.serasera.org     Tandindona foana ianao ry aiko

Hira zay noventesintsika roa
Tanaty bmdmm nofy kanto tokoa
Ny fo niventy azy hono tena feno
Mikalo ity hira tsy faheno

Oroka safosafo
Ho solon-tsakafo
Reo sangisangy sy vazivazy
No tena nampiavaka azy

Fa hadisoako ve ny hiteny hoe
Misy lanja be dia be ny fisianao (2)

                             TOVO J’HAY  "NOFY LALINA"
                                    pizacmkx     3ème album(tia t’koa)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012