Aza misara-mianakavy (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa akaiky ny maraina
Ho ireo taraina
Ilainy zanak’olombelona
Hiaraka hifamelona
Na havoana, lohasaha
Tsy ilaina didy jadona
Ny hirantsika roa lahy
Hadio toa rano an’ala

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Masoandro aman-bolana
Hamono  ity ady
Velon-kira  ireo vorona
Fa niteny rahon’ady
Rindrina izay mamefy
Hirodana avy hatrany
Ny fahavalo dia resy
Fandresena eran-tany

Aza misara-mianakavy
Sy ufgqqhi mitokatoka-monina
Ny herisetra  aleo tononkira.serasera.org ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Fanjakana loham-boto
Tsy jkctzwrh mba mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto
Ho henatrin’ny olombelona
Mbola ho avy ilay maraina
Ho foana ireo tbvcwzhf taraina
Hirain’ny zanak’olombelona
Hiaraka hifamelona

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra  aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0614