Tomany valala (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
’Ketriketrika, hono ny azy ny loha
Nila, kisa, nila vaniny, niemponiempona ny fony

Nanahy ny hivadika ondana
Raiki-tahotra sao hivadika ati-doha

Iny izy hilomay, nihazakazaka-dava, nirifatra, niridana
Hanary aina an-tany karakaina

Asa nivika sa tomika
Ny fony gogogogo, valalan’amboa, valalan’alika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 2735
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fiffi
Daty : 13/09/2007 06:54
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195