Mbola Izy (Zo Ryan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho any ianao,
Raha hitanao any izy dia mba ilazao
Tsy tafandalo hono izy fa tsy hoe lao
Voatanan’ny atao
Ny fony hoe tsy miova fa toy lay omaly ihany
Ka hatsaharo ny tomany
Raha mbola ianao koa, tsaroany hatrany
Ny fitiavako indray mbola azy foana
Tsy voafafan’ny fotoana
Esory ao an-tsaina ao ny hoe hisaona

Lazao azy tsara fa izy hoe tsy ariako
Mbola izy foana no tiako
Ambarao azy koa fa tsy miova ny foko
Fa ‘ndrao izy dia toloko
Iangaviako ianao mba hanazava ny sainy
Hanoro koa ireo zay tsy hainy
Fa toky avy aty amiko, zay no ilainy.

Raha ho any ianao
Ka hitanao any izy dia mba ilazao
Tsy tafandalo hono izy fa tsy hoe lao
Voatanan’ny atao
Ny fony hoe tsy miova fa toy 'lay omaly ihany
Ka atsaharo ny tomany
Raha mbola ianao koa tsaroany hatrany
Ny fitiavako indray mbola azy foana
Fa tsy voafafan’ny fotoana
Esory ao an-tsainy ao ny hoe hisaona

Lazao azy tsara fa izy hoe tsy ariako
Mbola izy foana no tiako
Ambarao azy koa fa tsy miova ny foko
Fa ‘ndrao izy dia toloko
Iangaviako ianao mba hanazava ny sainy
Hanoro koa ireo 'zay tsy hainy
Fa toky avy atý amiko, zay no ilainy.

Na betsaka aza ireo fakam-panahy
Aza manahy
Ho tsaroako foana ny fisiany ao am-poko
Izaho no tsy anilany fa ilay fitia mbola azy
Tsy nisy nomeko ny toerany

Lazao azy tsara fa izy hoe tsy ariako
Mbola izy foana no tiako
Ambarao azy koa fa tsy miova ny foko
Fa ‘ndrao izy dia toloko
Iangaviako ianao mba hanazava ny sainy
Hanoro koa ireo ‘zay tsy hainy
Fa toky avy aty amiko, zay no ilainy.
Fa toky avy aty amiko, zay no ilainy
Fa toky avy aty amiko, zay no ilainy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zo Ryan
Vangy : 3901
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/04/2015 00:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119