You are here: home > Tononkira > Zo Ryan

FITAHIANAO (Zo Ryan)

https://tononkira.serasera.org/hira/zo-ryan/fitahianao

FITAHIANAO

Ilay masoandro miposaka maraina
Mbola FITAHIANAO no ahitako izany
Na ny rivotra ahafahako miaina
FITAHIANA avy aminao tsy lany

Matoa aho mbola mijoro feno hery
Mbola ianao ihany no anton'izao
Ny masoko mbola afaka mijery
Dia mbola noho ny fitiavanao

Refrain:
Mbola FITAHIANAO no anton'izao
Satria FITIAVANA ianao
Mbola FITAHIANAO matoa tononkira.serasera.orgaho mbola miaina
Rariny loatra ianao raha hoderaina

Ny volana manazava ny alina
Sy ireo kintana tsy hainay takarina
Dia asatananao izy rehetra
Sy ireo zava-tsoa etsetra etsetra

Nataonao hoanay izy ireny
Ka isaoranay anao ombieny ombieny
Tsy misy mihoatra ny fitiavanao
Ka mendrika ny hoderaina ianao

Refrain:
Mbola FITAHIANAO........

Nanoratra ny tonony sy feony : Zo Ryan

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Zo Ryan
Mpamaky : 429
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Zo_Ryan_Page_Musique
Tamin'ny : 31/05/2020 16:56:29
ID : 12796

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo