Mbola tsy tara (VLK (FPVK Androndra Fitiavana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Ry olombelona ety an-tany o Izay mandre ity hira ity
Mba tsinjovy ny hiafarana fa Sao ianao ho variana ety
Moa ve efa mba fantatrao izay hisy anao raha hiala ety
Sa ianao Mbola sondriana amin'ny rendrarendra hanimba anao
(X2)
Réf :
Mbola tsy tara anefa ianao raha izao vao hanapa-kevitra
Hanolotena ho an'i Tompo sy hanao ireo sitrapony
Nefa kosa mialoha izany dia hilaozy aloha ny faharatsiana
Dia ireo ota tsy voatanisa sy natao tamin'ny fanianiana
(X2)
2)
Firifiry moa ireo toriteny Izay nambara taminao
Nampiovanao ve izy ireny sa tsy nankatoavinao
Tsarovy anefa fa mbola misy ny hapamoaka any an-danitra any
Ka aseho any avokoa izay nataonao tety an-tany
(X2)
Réf :(X2)
3)
Ho anao izay manara-po amin'ny toaka sy ny sigara
Nefa tsy tapaka ny alahady mivavaka ao am-piangonana ao
Tsarovy anie fa Jesosy Tompo tsy mba nandray na nifoka ireny
Fahazavana sy ho fanasina no nataony am-beti-teny
Réf :(X1)
Réf(X1)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : VLK (FPVK Androndra Fitiavana)Vangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : VLKK
Daty : 23/02/2026 08:13
