Manara-maso (Toky Fitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
raha nandinika ny lasako aho
mamisavivisa izay mbola ho atao
dia tsapako ny fahatsaranao
raha miaina izao anio izao aho
ka mifaly amin'ny izay ataonao
dia fantatro ny fitiavanao ahy

fa isanandro ianao
manara-maso ahy
manangana ahy raha lavo aho
mananatra ahy raha diso aho
ny teninao tsy miova
mihazona ny fanahy
dia tanako ao am-poko ao
fa fitiavana mandrakizay
no nitiavanao ahy

dia natopiko ny saiko
efa im-piry aho no teo
am-bavahadin'ny fahafatesana
ireo haizina nandalo
no zary lalana nampim-posaka
lay fahazavana


fa isanandro ianao
manara-maso ahy
manangana ahy raha lavo aho
mananatra ahy raha diso aho
ny teninao tsy miova
mihazona ny fanahy
dia tanako ao am-poko ao
fa fitiavana mandrakizay
no nitiavanao ahy


raha miaina izao anio izao aho
ka mifaly amin'ny izay ataonao
dia fantatro  ny fitiavanao ahy

nov 2025
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Toky Fitia
Visites : 11
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tsiaronitia
Date : 13/03/2026 10:10
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0535