Atolotro ho anao (Toky Fitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hifonako ireo andro taloha
Nandaozako anao
Nanarahako ireo lalan-tsitrapo
Tamin'izay rehetra natao
Soa ihany fa teo ianao
Mbola niandry ilay
Andro hiverenako
Tsy miova ilay fitiavanao
Fa mandrak'izay.

Ho atolotro ho anao
Ny fiainako izao
Hanomboka ho anao
Izay rehetra atao
Atolotro ho anao
Ny fo ato anatiko

Atolotro ho anao... (X2)
Ka anjakao...
Ouh ouh ouh! .....

Izao vao tsapako
Fa ao aminao
No fiarovanao ahy
Ianao no heriko
Amin'ny androko sisa
Ianao no mpiahy.
Na mbola ho lavitra
Izany làlana ho diaviko
Tsy hanan-tahotra aho, fa aminao
Ho tantananao.

Koa atolotro ho anao
(Atolotro anao)
Ny fiainako izao
Hanomboka ho anao
(Hanomboka ho anao)
Izay rehetra atao
Atolotro ho anao
(Atolotro ho anao)
Ny fo ato anatiko

Atolotro ho anao...
(Atolotro ho anao)
Atolotro ho anao...

Atolotro ho anao
Ny fiainako izao
Hanomboka ho anao
(Hanomboka ho anao)
Izay rehetra atao
(Izay rehetra atao)
Atolotro ho anao!!!
(Atolotro ho anao)
Ny fo ato anatiko
(Ôh ôh ôh! ôh! ô ô ô!)

Atolotro ho anao...
(Atolotro ho ana...o!!!)
Atolotro ho anao...

Ka anjakao...!!!
(Anjakana....aooo...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Toky Fitia
Vangy : 969
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 30/05/2020 00:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833