Hosana (Toky Fitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indraindray ianao toa manotany tena hoe
Ahoana re ny fiainako
Toa misafotofoto lava izao
Tsy hita izay atao
hafahafa fa Ny ambony lasa ambany
Any andanitra aho sa ety antany?
Fanipanina sy mivembena kanefa tsy mianjera
Zao tsaroako fa ny fahasoavanao e
No nahatoa izao ahy
Ka ninona hitranga sy hanjo
Tsy nisy nahavoa
na dia nalezolezo teny anie ny tongotro mbola mijoro ihany
Ny tananao tsy fohy fa mahavonjy ka tanako hatrany

Ka hihira ho anao na tsy mendrika
Mankalaza anao ny ambany lanitra
Asandratro anio ny voninahitra
Ka hihira hoe
Hosana ho anao ry Ray
Dera sy laza anie
Mandrakizay


Misaotra e noho ny fahasoavanao fa
Feno fitahiana be dia be
Feno be ny fanantenana
Ka velona ny hosana
Ny lanitra no andrandraina
Mba te ahita anjely marobe
Izaho sy ianao koa mba ho isany

Fa niandry an'i Jehovah ny foko sy ny fanahy
Dia nandroso hery aho ka nariako ny ahiahy
Elatra no hiakarako toa ny an'ny voromanidina
Tsy eto antany ihany fa mba misidisidina
Dia mijerijery teo
Reo tsy tia hatrizay
Zaho ndray faly faly faly
glory to you oh my lord
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Toky Fitia
Vangy : 1075
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsiaronitia
Daty : 03/07/2018 09:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712