Izaho hitomany (Tif à Tif)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay Jôba miseho milay fa tsy milay
Ianao ilay Jôba be style hatrizay
Ianao ilay Jôba tia mandaingalaiga be
Tia tena hipitsio allez mandeha

Réf: Izaho tsy nanao an’izany
     Sady tsy mahay an’izany
     Raha mba ianao no hatao ohatr’izany
     Izany tsy mba fombako izany
     Sady tsy mpanao an’izany
     Lazainao hoy aho fa fombako izany
     Izaho hoy aho te hitomany hitomany

Ianao ilay Jôba maditraditra mampirafy
Ianao ilay Jôba ratsy toetra sy mpigafy
Ianao ilay Jôba be fialonalonana e!
Allez mandeha,hipitsio allez mandeha

Réf: Izaho tsy nanao...

Pont: Ny olona mampiady,mpanenjika ao afara
      Ataovy izay ataonao,f’izahay tsy te hahalala
      N’iza n’iza ianao n’iza hanambara
      Fa TIF à TIF tsy milay dia aleo ny anay ho anay

Ianao ilay Jôba...

Réf: Izao tsy nanao...

Ianao ilay Jôba...

Réf: Izaho tsy nanao...

Pont: Ny olona mampiady...

           Izany tsy mba fombako izany
           Sady tsy mpanao an’izany
           Aleo ny ao ambony no hitsaran’izany
           Ianareo mifalia fa izaho hitomany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tif à Tif
Vangy : 5405
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Francia
Daty : 27/04/2003 10:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742