Tsy miova (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao miposaka ny andro
vao mitsiky ny masoandro
Dia tsarovy ny Tomponao
Na dia oram-batravatra
Na mikija mila handratra
dia tsarovy fa akaikinao
Fantaro fa ny fiainanao
Na fifaliana na mety ho talaho
Dia zary antoka hampijoro ka
Hiandrandranao ilay maraina vao

Ka na miposaka ny andro
na koa dify ilay masoandro
dia tsarovy ny Tomponao
Fa raha ny orana no hifafy
Dia hitsiry izay nafafy
Dia tsarovy fa tiany ianao
Fantaro fa ny fiainanao
Na fifaliana na mety ho talaho
Dia zary antoka mampijoro ka
Hiandrandranao ilay maraina vao

Ouh...Ouh...Ouh…Ouh...

Na dia adinonao indraindray
Na nolavinao hatrizay hatrizay
Tsarovy fa ny Tomponao
tsy miova anio, anio mandrakizay

Ou ô ô tononkira.serasera.org gdbg ô ou ô
Ou ô ô bseryax luumxbwv ô ô...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 21
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 26/09/2026 22:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0302