Inay (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Inay anie aho taloha
Dia efa mba nifoha
Tsy zavajavam-poana
No nandaniam-potoana
Inay aho hatry ny ela
No efa tsy namela
Ny haratsiam-panahy
Hikitikitika ahy

Izay vita tsy hoe dia erej vita
Tsy azo hodian-tsy hita
Ny ratsy izay natao
Fa loza mitatao
Aleoko dia mifona
Aleoko hitalahoana
Ny heloka taloha
Izay vitako Jesoa

Soa aho fa mbola miaina
Sy afaka misaina
Hanarina ny dia
Raha toa mitady hania
Dia soa tsy mbola very
Fa vkdcsz afaka mijery
Ny lalan-tsara indrindra
Hahaizako mamindra

2) Inay mba nokoloiko
Tsy hiovaova loko
Na hoe dia kely aza
Ilay foko nsrg fahazaza
Fa fo tsy nanan-tsiny
Raha iny foko iny
Fitiavana madio
No tao anatin’io

Ry Jesoa be fitia
Ampionao aho satria
Mba tiako ho voatana
Hizara hazavana
Ny jiro anatiko ao
Fa jiro avy Aminao
Tezaiko mba haharitra
Fa jiron’Andriamanitra

Ampaherezo foana
Tohano aho tsy ho noana
Na am-panahy na nofo
Dia hatrakao hilofo
Tsy ho sasatra handarana
Fa hanan-kifaharana
Hifahatra Aminao
Ry Jesoa tsy mandao

3) Mby any am-parany any
Ho foana ny tomany
Raha mahatandrin-tena
Manaiky hovonjena
Manaja ny Tsitoha
Dia mpino mankatoa
Mandala ny fitia
Ho sambatra doria

Fa any am-parany any
Tsy maintsy tononkira.serasera.org hitomany
Ireo izay minia
Mivilivily dia
Ireo tia mandrafirafy
Dia lainga no hafafy
Ireo tia mandavolavo
Sy tia miavoavo

Soa aho fa mbola miaina
Sy afaka misaina
Hanarina ny dia
Raha toa mitady hania
Dia soa tsy mbola very
Fa afaka mijery
Ny lalan-tsara indrindra
Hahaizako mamindra

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 23
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 23/09/2026 19:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.038