Fanekem-pinoana (Solo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana ny maso no tsy hanganohano
Raha sendra alon-drano
Nahoana ny saina no tsy hovalalanina
Raha sangodim-panina
Mahery mahamay,
No hitsapana anay,
Ry Tompo Rainay
Nahoana moa, nahoana zseotr ny fo no tsy ho torovana
Raha sendra fahatsiarovana
Nahoana koa, nahoana no tsy ho adaladala
Raha zanaka malala
Tiana sy lalaina,
No indro re nalaina
Mbola vao maraina
Kanefa Raiko ô, izato hira ory
Izay asandratro izao
Tsy sanatria tsy akory ho faniniako anao
Fa mainka anolorako indray Aminao
Ilay manda vaovao,
Ny herin’ny finoako, tsy mbola niova uqqqfsmf loko
Satria mino aho fa ilay velomanay, dia mandrampihaona ihany
Satria mino aho fa ilay velomanay, tsy ho mandrakizay
Fa mainka anolorako indray Aminao
Ilay manda vaovao,
Ny psqinh herin’ny finoako, tsy mbola niova loko
Satria mino aho tononkira.serasera.org fa ilay velomanay, dia mandrampihaona ihany
Satria mino aho fa ilay velomanay, tsy ho mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SoloVangy : 33884
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 28/10/2004 12:13
