Richard le popman (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko aloha ny atontanisa e!
Tsy haiko hoe firy na firy
Tsy koboko koa ny statistika fa
Efa bobaka ny be fikafika
Misy foana ny akama maningana
Misy foana ny akama mamalana
Misy foana ny akoholahy fataka fa
’Lay ari-fony aza efa nitety mpanjaka

Taranak’andriana Richard
Andrianan’Imerikasinina
Andriandahy sady tena kopaka malala fa
Madamany avokoa ny tanàna
Niarahany avokoa izay tiany e!
Azony avokoa izay niriany
Ny olona jiaby dia nanaja azy fa
I Richard anie ka fanorolahy

Vao tsy ela akory izay thaïlandaise
Omaly anefa dia japonnaise
’Zah aloha manaiky fa Richard tendan-kanina
Milela-dela amin’ny resaka mananina
Lasibatra fitia ny vehivavy
Tsy ankifidy na mahia na matavy
Mifangaro aby na ny ratsy na favy
Izay vita ketsa dia mandraiky manavy

Diksionera amin’ny resaka fitiavana
Je t’aime sy ny I love you
Fa nozarazarainy ho fanomezam-pahasoavana
Te quiero, Ti amor
Richard anie be vava sady be andilana
Malama hatrany sady mandilatra
Rehefa izy no mahazo jery misopirana
Vehivavy tena ratsy sahirana


Fa, indray andro izay kay tsy nisy nanampo
Tantely afa-drakotra avokoa kay ny natao taloha
Izao mantsy ny andron’ny mangarahara e!
Fahamarinana sy fahamasinana koa!
Ireo fotaka natao hoe manitra alohaloha
Indreto fa niara-nifoha
Tadidiko izay andro izay, 26 juin tamin’izay
Tadidiko satria ny olon-drehetra tao amin’ny tanàna somebiseby nilomay

Fa ny tao ambovon-dRichard kosa
Vao maraindray dia injay
Nifamaly ireo,
Nifanao amboa razana ireo
Nisy va re ny tsy mahafaly sa
Nisy ny tsy tia natao
Ka misy ozona, misy tsiny, misy tody
Misy varatra, iriana hilatsaka e!

Kelikely taty aoriana, nanomboka nahavarina
Fa nivoaka avy ao tovovavy anakiray
Tsy dia ilay hoe tovovavy nivoaka avy ao
No nahavariana ahy fa
Ity anankiray tsy ary hitako hatrizay
Gaga ny jiaby, kay va re ity i Richard ity nanambady
Tovovavy iray mbola tsisy nahita ninday ity zanany mbola minono
Tapa-kevitra hiseho amin’ity atao hoe tany ama-monina

Ery ampita kosa ireo tovovavin-dRichard hatrizay
Tsy hoe anankiray na roa fa izy manontolo
Vinitra mafy ireo nahita ity vadiny
Izay tsy naneso dia nanaraby
Ny esoeso, nitabataba, nikora lava
Nianjaky aby ajay ireo, ajay ireo mbola nianjaky aby io
Nitona ho aboahinareo ity ndahiko re
Richard ’zao koahy

Fahafaham-baraka tsy tako-nafenina
Richard domelina sady badenina
Nanantso an’i Jehovah, tsy nety namaly
Nanantso an’i Jesosy koay
Indraiky Allah, indraiky Boudah, izay vao nikoezy(2)
tamin’ny Randriamisara ralahy
Voatety aby ladoanindreo
Nosoran-tantely fiagonandreo
Namonoana akoho mosquée-ndreo

Lasa adala Richard rangahy
Ny vaovao farany momba an’i Richard voaraiko izao dia
Mbola any Richard
Manao varo-mandeha any Port Berger

Fa izy no Richard (2) lay popman (3) taloha [X3]

Niangaviana izahay hampandre
Fa i Richard, i Richard ilay popman dé tsy koboko

Aut/Comp: Samoela
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 5183
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 21/03/2007 10:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012