Tanisa (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto an-tokotany eto aho zao malala no mitanisa
Lasa saina aho, mamisavisa
Raha mba teto angamba ianao izao malala tsy nangatsiaka
Tsy lany atao aho, tsy lany fika

Eto ivelany eto aho izao malala no mangingina
Ngoma anao aho sady tsisy atao
Raha mba teto angamba ianao izao malala mba velon-tsiky
Vita tonony aho, vita mozika

Fa ny eo anilanao lalandava no tena tiako ny faniriako
Mianoka aminao ô, mankafy anao
Raha karakarainao tsara aho ka tandremanao tsy maditra
Mifitsaka aminao, mankalaza anao

Fa ny eo anilanao lalandava no tena tiako ny faniriako
Mianoka aminao ô, mankafy anao
Raha karakarainao tsara aho ka tandremanao tsy maditra
Mifitsaka aminao, mankalaza anao

Ka tsy atao resa-jaza na kabary lava
fa tsy tafandry mandry ity foko mitady
efa sasatra miandry miandry lava anao

Dia ianao indray no gaga dia ianao tsy mahatsapa
Sa ianao ve migafy sa ianao ve mitapy
Raha toa tsy mandre f'efa degany be
Ny ato am-poko ato

Fa izaho nge mahalala fa tsy hoe mihanahana
Na bandy sanàna
Fa matoa aho mivoraka matoa manambara
Dia potika aminao

Efa reven'ny fanahiko marary amin'ny aiko
Ekeko mandidy, ekeko mibaiko
Ekeko manapaka ankafizin'ny saiko ianao


Fa ny eo anilanao lalandava no tena tiako ny faniriako
Mianoka aminao ô, mankafy anao
Raha karakarainao tsara aho ka tandremanao tsy maditra
Mifitsaka aminao, mankalaza anao

Fa ny eo anilanao lalandava no tena tiako ny faniriako
Mianoka aminao ô, mankafy anao
Raha karakarainao tsara aho ka tandremanao tsy maditra
Mifitsaka aminao, mankalaza anao

Akaikinao aho tonga dia izy
Tsy miala aminao aho, ianao no safidy
Manina anao aho Fa tsy miblao
Tonga dia avy aho raha poince ianao

Zay ho'aho fa tssss, inona ary ity?

(feat. Stéphanie)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 14632
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : DotMG
Daty : 13/09/2014 16:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2022