Sexy Girl (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zaza niara-kely teny Ambondrona
Niara nanary fako fony bitika
Niara nisondrotra, niara nitombo e !
Dia niara nitsiry koa ny fitia
Dia niaraka nibalady
Tafakatra avo be ny maripAna
Dia nifanao dina hiara dia e !
Samy nivetsivetso fa hivady
Vao maraina dia efa ateriko an-tsekoly
Mifampiandry koa raha hody ny hariva e !
Vao 17 taona tsara indry, nanaraka an-dry zalahy tany amin’i AMNESIA
Nanomboka teo ianao dia tia nandihy
Nanaraka an-dry zalahy INDRA
Nanaraka an-dry zalahy KALEIDO
Nanaraka an-dry lehirony koa CAVEAU
Dia nihanika samirery PAPILLON e !

Dia niaraka taminao ny Sinoa
Dia niaraka taminao ny Karana
Vazaha be koa ny tato afara e !
Dia lasan-dry lehirony ny akamako
Dia lasan-dry lehirony ny fananako
Vetavetan’ny Vazaha ity anjarako e !
Fa efa lasany dia tsy averiny eto intsony
Lasany dia nasidiny any ambony
Izaho indray no noraisina teto r’ireto a !
Eo ianao no noraisina e !

Fiverenana :
Fa sexy e !(2) sexy girl e !(2)
Fa sexy e !(2) fa sexy girl e !(2)

Dia tsy tsaronao ve retsy ianao natosiko tamin’ny kalesy taloha
Ankehitriny aho efa voa, ka gestiavanao MERCEDES e !
Dia tsy tsaronao ve retsy isika sy ianao
Nifanolotra voatsinefa etsy ambodifilao e !
Ankehitriny ianao tsy misotro raha tsy « FRESH »

‘Zaho tsy mahatakatra CD n’i Maria Carey
Anambazako anao sipa o !
Raha tia ahy ianao e ! GORISAGORISA revena ho’a!
Aza asiana fanazavana ara-tsiantifika e !
F’efa arako ny toetranao, fa toetran’alika
Aza asiana taratasy manazava mankany an-trano
Tsy vakiko akory e ! fa tonga dia doro
F’efa koboko ianao (2) tamin’ny fahitalavitra
Efa koboko ianao fa manao CLIP amin’ny tarika hafa
Efa koboko ianao manao MANEQUIN’ny agence TOTEM
En plus n’izay e !kilalaon’ny Vazaha koa ianao
Fa sexy girl e !

Tsy mahalala menatra intsony e !
F’efa babon’ny vola ny fony
Raha any amin’ny Vazaha ny vola e !
Dia raha tsy Vazaha tsy hidola
Raha any amin’ny Karana ny vola e !
Dia raha tsy Karana tsy hidola
Raha any amin’ny Sinoa ny vola e !
Dia raha tsy Sinoa tsy hidola
Fa sexy (2) Sexy girl e !

Dia lasanao any mihitsy ny inspiration-ko ry kalan’iny a !
Rahoviana ary ianao vao hitako
Amin’ny magazine VIDEO7 na OK PODIUM na PLAY BOY’z e !
Fa sexy an’Antananarivo ianao, tsy mihoatra an’i Gasikara
Tokontaninao tsy misy afa-tsy Antaninarenina dia TsaralalAna e !
Dia tsy hiandry anao intsony i Samoela
F’efa dilan’ny ela sy ny ela e !
Fa ny lasa tsy hiverina intsony
Na dia naratra ny fony e !
Ny hoavinao no antsoiny tody
Dia varatra sy hozona e !
Tsatok’antsy sy poizina
Te-hianjera aminao iny ho valin’ny fahiny
Hanafaka tsiny sy ho tamin’ianao virijiny ho’a!
Fa sexy girl e !...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 14461
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/11/2001 22:11
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2558