RAVA (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia rava tanteraka tokoa moa izany lay fitiavantsika roa
mangina aloha fa mbola voa, marary fo sy miasa loha
Lay fitiavantsika tsisy raha nanjary rava 'ty niafarany
Samia mandinin-tena aloha, raha manina dia mba miantsoa

Toa latsalatsa sy vazavaza, ianao no tena basy vava
Ilay fianakaviana koa mba niangaviana maika koa nanisy sira
Mamoron-dainga sy mifosa lava ô tsisy zavatra mazava
Mihatsaravela,tsihy, misaron-tava, fita-bitro lalan-dava
'Lay tokantranontsika mila ho rava, tsisy mba nandanjalanja
Ketoketoka matetitetika maka lagy sy manjetoka
Manana ny adala ka manampi-bava, aiza ihany lay mazava ?
Rahoviana re vao mba hisava ?
Hangatahana amin'ny Avo lalandava mafy
Fa satria...
Zaho mbola tia andry
mbola tena mankafy ho'aho zaho ô ô ô !
Mahita tsirony amindry

Dia rava tanteraka tokoa moa izany lay fitiavantsika roa
mangina aloha fa mbola voa, marary fo sy miasa loha
Lay fitiavantsika tsisy raha nanjary rava ty niafarany
Samia mandinin-tena aloha, raha manina dia mba miantsoa

Le mody ato an-trano tsisy teny mamy fa laginina avy hatrany
Manangam-bovona tsy mety mirana, mampandainga manahirana
Ny hasarotam-piaronao mameno trano, iretsy koa milaza angano
Tsy maraina tsy hariva tsy antoandro zany no analanao andro
Ny ato an-trano lasa tsakinady, ati-kena miampy lagy
Vao lalovan'ny mpanatsatso d'efa mahonena sy mijaly
Isika roa angamba hitokamonina any alavitra tsy koboko any
Any angamba mahafinaritra e ! Angatahana amin' tena Andrimanitra
satria...
Zah mbola tiandry, mbola tena mankafy wa zah ô ô ô
Mahita tsirony amindry !

Mbola tena mankafy wa zah ô ô ô
Mahita fafiny amindry !

Samoela
(Album : Zana-bahoaka Nov. 2010)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 28702
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 24/11/2010 14:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127