Kalanoro (Samoela)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain :oee Kalanoron-draNaivo
Kalanoron-draNaivo be volo
Kalanoron-draNaivo tsy lolo
Fa mpanasoa ny tontolo
Fa hipotran'ny kalanoro ty dia lasa milay
Raha mitaiza kalanoro ty manjary mahay
dia (...)
fa raha miompy kalanoro ty dia lasa mpitsabo
mpitsabo marary, manafaka jaly
Fokonolo mifaly
fa raha misy mievona ao ty mahay ody sery
raha misy maratra ty mahay ody fery
kalanoro mahery
Fa kalanoro mahery, mahay mitady ny very
Vola sa zaza sa vady sahaza
ka hoita indray
[Refrain] x 2
Dia ho rombotra tanteraka ary reto ombiasy
Anjary tsisy kil ry dadarabe
nefa tsisy klé
Dia handatsa-baratra
hanapoizina rano
hiangavy ny atambo
hampiditra angano
nefa tsisy klé
Dia hanao di-doha,
dia hanao be loha
dia anoty Fady
dia hihinana kisoa
nefa tsisy klé
Dia hitady hery hafa
fa be lonilony
tontolo hafa
fanahin-demony
nefa tsisy klé
Dia hiangavy ny volana
Hiantso ny kintana
Fa be ny haromontana
Hamboary ny vintana
nefa tsisy klé
Fa mahery dia mahery izato kalanoro izato
Fa Ranaivo kondrana iny ty manjary milanto
Dangeureux
[Refrain] x 2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SamoelaVangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RalitaTanjona
Daty : 26/03/2026 09:57
