Kozy kozy (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ao ny ambany tany dia ao koa ny ambany dalina
Ao ny an'ny mpirafy fa ao koa ny an'ny mpiral
Ny hendry mody mirap fa ny adala manesika kaiamba
Mahadomelina ny rap fa ny kofa tsy hanary lamba

Tsy nofinofy fa zava misy
Zava misy ka andeha hiainana
Nefa ny iray ampaharivon'ny sain'ny olombelona ihany amin'izao no miasa
Tsy dia ampy ny herim-panakarana

Ny olona no manova ny lalan-tantara
tsy mitsara aho fa mahatsapa ny zava-misy
Nanova ny toe-tsain'ny olona ny fiarahamonina nisy azy
Hafa ny fijerin'ny olona ny fiainana amin'izao

Amin'ny mahampitolona ahy dia tsy afaka ny hangina ny vavako
Mihena ve ny valeran'ny olona rehefa tsy manam-bola izy ?
Sa ny vola no manan-danja noho ny mahaolona sy finamanana sy firahalahiana
Avela hanjaka ve ilay teny hoe 'ny vola no mahampiavana'

Tsy te ahalala ny hafa ny olona fa manao zay saimpantany sy ny lohabeny
Tsy hita soritra eny amin'ny tavany intsony ny tsiky sy ny fanantenana
Nisolo haromontana sy fankahalana
Izay no làlana
Zaho raiso hoe ialahy, dia ialahy raiso koa hoe mba izaho koa
Fa aza fitahina ny maha izaho ahy
Fivoahana raha misy loza, fidirana raha misy laza
Eritreritra, any aminao ny baraingo
Dia izay, anao ny anao

Ho faly sa tsy faly?
Ho faly sa tsy faly fa ity tongotra mby andakana
Tandremo ny resaka tsy voafehy ao anatin'ny faribolan'ny fifampidinihana
Zahay zanaka mahantra fa tsy mijaly
Rehefa tsy hanarin'ny olona dia hanarin'ny lalàna
Rehefa tsy mety hanarin'ny lalàna dia hanarin'ny fiainana
Rehefa tsy izay dia hanarin'ny làlana ka ny rap-ko no solon'ny fehikibo
hikapohana ahazoana fifehezana

Tandremo anefa fa mahafaty ny fihetsika diso fipetraka
Ny fitandremana faran'izay bitika no tsy maha matianina
Ary ny tsy fahavitana zavatra iray midika ho fahalemena
Dia aiza ho aiza ny faharetana
Dia aiza ho aiza ny fandeferana
Tsy hoe ceinture blanc dia hanao compet
Fa miaina dia mahita zavatra
Ny kely ihany no lasa be
Misy koa petit tsy miha glady mihitsy
Fa ny fahaizana mifehy no maha glady
Feheziko ny maika satria zaho mc
Feheziko ny penina satria zaho mpanoratra
Ho feheziko ny rap amin'ny mahakanto azy
Ho feheziko ny Haintso Haintso satria kolontsaina
Izay ilay fehikibo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sambilo & Yaroun
Vangy : 1172
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2015 13:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721