Jery tamberina (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Samy mandray ny anjara-tandrifiny.
Fijery miavaka ho an'ny androany, nametrahako baraingo momba ny tantaram-pianako ambonin'ny tany.

Fa maninona ireo tsikitsiky no tsy fahafirin'ny tomany?
No alahelo no mameno ny làlako ny taraina no heno manako any ho any ?
Ankehitriny alefa ny vinany na voahozona aza ny zavaboary,
Maninona no misy ny tafa dia maninona no misy ny zaza sary?
Misy any maty mosary,indrisy ny akony sorisory sarotra.
Mamono mankaiza ialahy sy izaho fa tsika eto miara-miharitra.
Taitra aho,mampiverina ny saiko fa any ambadika any izao misy tsy mandry.
Mirary koa aho raha mirary ho an'ireo izay tsy mahita ny hohaniny isanandro.
Ho an'ireo izay miaritra ho an'ny akamany ka niady ny tsy ho nety reraka,
Ho an'ireo zay mbola maniry ny anatratra tanjona nefa mbola tsy tanteraka.
Hatramin'izao ady foana tsisy fiatoana ny aty fa dezaka.
Ho an'izay tsy nitsahatra nihezaka anangana ny tànany tsy nety nifezaka.
Ilaina mihomana aho fa radèm tsy lavitra ka anjehoako ny andro ho lava.
Raim ny fivadiky ny tany fitaka ny olombelona toa samy misaron-tava,
Fa raha hosoka aho, izay vitako hiampanga ahy ka aoka hilaza,
Aza tsiny ny kôziko raha mampisava fa ankehitriny ny ahy ny volo lava!

Taktika ny fiainako nefa mbola ratsy foana ny hatramin'izay.
Vitan-dratsy ve sa làlako ? noho ny olon-kafa ve sa zahako?
Noho izaho ve sa noho ireo namako!
Rap lasa fitadiavan- daza, bizina, dera, voninahitra, inspiraka aza terena, tsy tena izy,
Malahelo aho satria be loatra ny mihoatra ny borne.
Na anaty kolotora na fiainana, fiaraha-monina misy ny kôzy tsy norme.
Izaho ve no anao sorona sa inona no ilaina ahafaha-mandingana?
Na Mc na mpakafy na madama na raneny mifandringana!
Izany ve no atao hoe fiainana ahoana no hiafaran'ny tanànako?
Ny aty tsy mba manana vola na hery fa penina no hany fananako,
tasitara no ety an-tànako, fiainako aza efa mihasarotra andro aman'alina
Mbola asian'ny lisany resaka new, old, underground, commercial
Any ve no tokony ho jerena (kizo) sa izaho no te-ahmetraka angano?
Nefa ity no kôziko : ialahy ve no te-hanao ny fototra nefa izaho no hanao ny trano!
Tsy ekeko fa fôsika ireny,lany andro amin'ny bla ka somokotra.
Nandritra ny taona maro izay fa izaho ihany no hanajoro ny fototro!

Na ambanin'ny tany, na mahita masoandro
Rapko rapko foana, na tsy hikifa aza ialahy
Izaho tsy handany andro amin'izany, fa ny fijery samy hafa
Ny fizôzy koa samy hafa, fa rap gasy iray

Mihabobaka ny sekta ohatran'ny fitombon'ny Mc tsy quoi!
Omeo mic zay mahavita hampitombo rezimanta
Rehefa tsy ampy ny vilia soloana gamanta fa ny fiainako tsy fiainan'ny hafa,
Olako tsy hitambarako amin'ny hafa, kifeko miadana mangina eny ny anahy ny blèm
Dia avoaka soratra raha misy ny inspiraka
Raha misy ny vola dia atao Bum Cd nefa izao aho mbola tsisy rotra,
Ny fitombenan'ny bandy mila hipoitra ny ato am-paosiko miha-ritra,
Ny fon'ny fiaraha-monina miha-maratra fa miha-mahantra ny gasy:
Miha-hita taratra ny lesoky ny fitondrana ireo vahoaka Malagasy!
Nankaiza ny vary gasy fa izahay leo stôky,katsaka,mofo gasy?
Maninona ny anay no tsiasisa dia ny an'ny ialahy isanandro akoho sy gisa?
Ialahy anaty luxe, villa, manana ny ampy mahalala fomba,
Fa izahay amin'ny faritra iva mifanjevo amin'ny haromontana sy ny tromba
Anatin'ny saina: "leo fahantràna aho bainina a !" "raha fiadanana aho ory !"
Voavoatra hatramin'ny toetsain'ny sipa kely lasa mpivarotra fo...
Rehefa misy sôsy ialahy dia iny izy fa mambamamba
Ny fitombenan'ny bandy izao efa hila tsy hitampina voro-damba!

Mankaiza ny zotram-piainana sa mijonjona ny androany?
Ny ho avy omaly androany dia mivadibadika eny ny tany!
Ny taona miha-mandroso,ny ratsy miha-tsy tapitra;
Vahaolana mahomby : manao izay mahafinaritra.
Mankaiza ny zotram-piainana sa mijonjona ny androany?
Ny ho avy omaly androany dia mivadibadika eny ny tany!
Ny taona miha-mandroso, ny ratsy miha-miverina;
Vahaolana mahomby : aleo mijery tamberina

Nikorontana ny fianakams fa niha-tsisy ny sôsy.
Nandeha ny fotoana, nisaraka Bainina sy Rabôfy.
Ny ankizy koa miha-lehibe, tao ny naditra dia tao ny nibôsy be.
Ny kalia mivarotra fe dia ny kôfa lasa reseverana taxi-be!
Raha mitombo izao fahantrana izao atsy ho atsy hiseho ny ahy ny derika. Ankamaroan'ny kôfa no lasa mamono saina ka tsy mitsinjo ny vody andromerika. Bindina,maina,fitaka,Rap fa any sisa no paradisa.
Eo amin'ny fiaraha-monina efa vakina fotsiny nefa mody gisa!
Dia ny sasany zara raha mahita analàna andro any anaty karama vary masaka.
Misy aza misôm fotsiny eraky ny nanàta, soa fa nisy rap!
Ny ohatranay mba nahafahana niantsampy anatin'ny fiainana ry ilay ity!
Nefa indraindray aho manontany tena: " mamono mankaiza àry izaho ity? "
Malaza eraky ny glaoby ny tanin'ny gasy lasa stara,
Mahasarika mpizaha tany fa indro ny fiainana rehetra hita eto Gasikara.
Malaza ny gasy sy i Madà fa amin'ny fahalotoan'ny rivotra iainana;
Amin'ny fangataha-mbola tsy mahomby sy ny fahalotoan'ny foto-pisainana.

Mankaiza ny zotram-piainana sa mijonjona ny androany?
Ny ho avy omaly androany dia mivadibadika eny ny tany!
Ny taona miha-mandroso, ny ratsy miha-tsy tapitra;
Vahaolana mahomby:manao izay mahafinaritra.
Mankaiza ny zotram-piainana sa mijonjona ny androany?
Ny ho avy omaly androany dia mivadibadika eny ny tany!
Ny taona miha-mandroso, ny ratsy miha-miverina;
Vahaolana mahomby : aleo mijery tamberina

Na ambanin'ny tany, na mahita masoandro
Rapko rapko foana, na tsy hikifa aza ialahy
Izaho tsy handany andro amin'izany, fa ny fijery samy hafa
Ny fizôzy koa samy hafa, fa rap gasy iray

Abaribary ny resaka hita miha-maimbo ny foto-pisainana.
Raha atao direkta ny kôzy : manaintaina e
Mitsimbadimbadika ny rasa hita vao maika mitombo ny tsolotra.
Any amin'ny trano fahatoriana ny mpifankatia re mitsôda ankoatrin'ny molotra!
dia misy mitsiky amin'izany dia misy ny mototra te-ankahala ahy.
Raha taloa ny anay bandy sy rôle ny hita amin'izao efa bandy sy kala.
Raha tôrtô ny anay ny gouter taloha, miteny ratsy dia dôty,
Ny ankizy amin'izao tsy manaiky raha tsy mihoatra ny klou hividianana kapôty.
Dia eraky ny elankelan-trano feno manaborotsaka pataloha sy kilaoty:
Ry Rasoa ry Rase ry Sitefany ry Marizanina ry Sarilôty.
Tsy hita ny antidôty nefa miha-mihodina ny daty : kalesy & Vedety.
Indray andro any i Sambilo ho faty dia hisy anontany hoe: "nankaiza i Nadety?"
Fa hatramin'izao aloa aho lava volo, mifamaly amin'ny fihogo sy mpanety.
Tsy koà! jery tamberina iny nanaovako an'izay maha-metimety.
Dia izay ilay izy izay! Izay manan-tsaina handinika anisan'ny namako.
Hatreo aloha ny kôziko fa vizana ny vavako sy ny tànako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sambilo & Yaroun
Vangy : 2045
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2015 13:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768