Aleo hiodina (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hanintona ny mpitantana, zay voky maka fafiny.
Ity revintsika gasy ankehitriny mitady fakany.
Fakafakao,karakarao ny paps fa aleo hiodina hafa koa;
raha gasy lasa ka tsolotra no mibahana.
Am-poko ny ahy ka fahafahanana, sahazam-pirenena an-dàlam-pandrosoy ny tantana. Atsikafony ny marina ka ahafahana mibaribary,
fa hita maso ireo vahiny sandoka mitobaka.
Ireny izy fa afa-kaba ny orin'asa. Ny ankamaroan'ny zaza gasy tsy nandranto "paps"..
Ka maro ny efa voasoloky tsisy ny ady varotra.
Ny tranom-piatoana aza tsisy na CNaPS.
Tsy andairam-panafody, tsy salama ny OSTIE tsy iantoahana.
Ka na ho faty androany aleony miaritra ny mafy,betsaka.
Ireo vahiny sandoka mitobaka.
Ny any an-tsisin-tany mahazo vahana ny mpitsidika vahiny;
an-tsokosoko miady lavaka isitrihana.
Matsiro hena ve ny gasy ka hamokovoko?
Hamokovoko hitsidika an'i Madagasikara an-tsokosoko
dia vetaveta no hitsidihana ny nosy.
Hanongo tena, hanjary teny an'avona tsy lasa (tsy lasa)
mangidy lavitry ny erin-taona an-tranomaizina
ka lasa oha-pitenenana ny vonjy maikam-pahafahana.
Tsolòry tora-bidy ny azy ny hivoahany,
Ka eny am-baravaram-pamosavy no mitoko!

Domiko eo no eo,raha misy feo,ny ambony tsy misy feo!
ka mihodina hafa kely toy ny voin-kava mahatràtra.
Tairiko io fa tsisy feo, ny ambony tsisy feo;
Mihodina manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.
Mihodina hafa kely toy ny voin-kava mahatràtra.
Mihodina manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.

Teny hieràna misy, teny hieràna hanongotra,
fa manakaiky sivilizasiona tandrefana.
Zaza tsy ampy taona hita hatreny an'arabe.
Bory volo,pataloha mitapaka eny am-poto-pe manintona.
Ka maso maro maro no mitazana,lozako ry tany.
Tanora tena no manompo teny fatratra.
Ny alina tsy ferana, mitombo isa ny trano filanonana;
ka tsisy paps,anaty boaty mialokaloka manala vokona;
ka miafara amin'ny fitsetsefana.
Ny ampaosy ho tazana,ny dia tsy ho ngazana.
Salory satro-boninahitra, raha mety sokajio
raha toa ka fanalàna hetaheta ny fivarotan-tena.
Zarany àry misy ny hotsetsafina ahazoany tohan'aina
fa manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.

Domiko eo no eo, raha misy feo, ny ambony tsy misy feo!
ka mihodina hafa kely toy ny voin-kava mahatràtra.
Tairiko io fa tsisy feo,n y ambony tsisy feo;
Mihodina manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.
Mihodina hafa kely toy ny voin-kava mahatràtra.
Mihodina manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.

Tsy ho sasa-poana akory ny sarababem-bahoaka.
Izay vita lasitra no ahodina mba ho tafavoaka.
Indrisy mantsy am-bavahoana vao mahatsapa tena amoron-kady
Toy ny isanandro ihany ny alahady.
Lohan'angady tsy alentika ka aiza vava-asa.
Izay bainga avadika aza tsy misy, ny avadibadika tsy misy!
Lasa fanao tsy misy azafady ny omeo làlana aho dia omeko.
Haondrano an-tsisin-tosy, eh tampi-maso aloha dia omeko!
Miàla satroka re tompoko ô, ireo fianakam's milofo.
Amin'ny adim-pamantaran'andro toa tsy ambaka ny hafa;
fa tsy ho mandava-taona akory ny famenoana paosy;
tsy an-tànam-polo no entina tsy ambaka ny efa zatra miady.
Aròvy mafy ny azo izay kely ahiratra no atoko ny dia mba ho velona ny efa niafy tsy ho voavisa.
Tsy fidin'ny eny an-dàlana ny hitafo lanitra afaha-milafika.
Tsy ho i Madagasikara no tsy ho lany 4 ams!
Anjàka tompo anjaka tena fa anjakàn'ny be-sôsy.
Mpanarak'efa fa tsy efa hita ve fa mpangarom-paosy?
Ka hihafaray hitsondrona antsy ny havana fa leo Hamono,
halasa hody,any amin'ny varo tsy mifody.

Domiko eo no eo, raha misy feo, ny ambony tsy misy feo!
ka mihodina hafa kely toy ny voin-kava mahatràtra.
Tairiko io fa tsisy feo, ny ambony tsisy feo;
Mihodina manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.
Mihodina hafa kely toy ny voin-kava mahatràtra.
Mihodina manempotra azy ny hetaheta latsa-paka.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sambilo & Yaroun
Vangy : 1191
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2015 13:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862