Mby an-dakana (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy sangy fa mby an-dakana!

Patalohako tsy minday hetra fa ny fehikibo mifehy ny fianako
Dia ny hip hop nametrahako kôzy miseka anatina mic!
Tsy varivarinan'ny lavitra fa sao tsy mahare ny kaikitry moka.
Voasodokan'ny loko hifonosany ny kofa sasany tsy mahakobo hoe boka
Any amin'ny mannequin no misy mampideradera bika.
Aty ny saina no miasa ry zama dia mipetraka ny teknika!
Matipaika ny drafitra ny kôfa tsy mitsahatra ny miketrika.
Izay tena akamako tsy anisan'ny mpandetika fa miketrika.
Ny kofa eto samy hafa no mapiasa côcô!
Izay tsy kopy an'ilay ziko ampitoviako amin'ny Quasimodo!
Ny rix alefan'ny kofa hatreto mbola à gôgô!
Sambilo boto miRAP amin'ny haromontana tôtô.
Fiadina mahery vaika :Hard core,Micro.
Mientanetana ny kofa etaetana zamô.

S:sampana itoeran'ny saina sy sandry
A:akany iorenan'ny ai,tsindrimandry
M:meriseneran'ny kahie d'or!
B:boto manonja fa tsy mihoatriny bord
I:itodiako ny lasa itrakako ny ho avy
L:lanilany no namadika ny lelako ho favy
O:aody oh! Namohan'ny saiko tsy hi-dôdô!
Kozy hatsipiko an'la eto ry zama ny zikô!

Faly sa tsy faly fa ny ny fitenin'ny Rapko ity fa tazana
Tsy ho tapaka ny tanako ny nitazona ny penina no nafarako
Ity tongotra mby an-dàkana(mby an-dakana)
Tsy misy sakana fa:fakan'ny fototra ho tazana

Mitondra ny anarana i Koto be kibo foana ny kôfa
Satria bikina rima.Ariary zato am-pandrinako tsy nanonofy nôfa
Rehefa mipisy ny bic manakona ny masoandro Rapeto.
Ho an'izay peta-toko mivadika ny lelan'Alien im7 Dia mamono.
Ka raketo amin'ny bokin'ny fianan'ialahy Mist àry.
Tsy handihizan'ny Hitsikitsika.Aleo manetsiketsika fotsiny àry.
Ohatran'ilay drafitra tamin'ny Vorondolo mitondra tantely.
Tantara an-tsehatra kely.Rapiko tsy télé mpanely honohono na mpitantara patté an'olombelona voahitsaky ny BMS.
Fa mitety ny volana sy ny taona ny clan-ako isaky ny manoratra Ohatra:
haneno im7 ny jôba rahalina!
Koboy fa kôfa Bogota no nahita ny Stats haka petrol eny amin'ny volana.
Ity jôbilina rima maloto entin-drika. Mandalo ny alikana Sambilo sy Mist ka rà-mandrika.
Dia ny "peace", "peace&love;" ry jah homena ho an'ny akoho lahy mena
Miaky ilay micro volamena lelan'ny asidra dia amen!
Ess!miakatra ny maripàna midonaka ny setroka
Mangony fotsiny ny fofo-ketotra betsaka ny mivoaka sempotra
Masoko misitrika mialokaloka ambanina satroka Io fiainako io hatramin'izao Ayo! Matroka Tsy hikorapahana fa maka miadana ohatry ny sifotra
Eny an-tenatenan-dàlana ny etotro mitsifotra
Fantaro fa Sambilo babakoto mandray mic ka: ataony akondro ny insta!
Na kombiany faratampony aza mbola tiako Madà Mila hajàina ny maha gasy ahy sy ny kolotorana P.RA
Fa ny fitombenako ny mafy dia nohon'ny maha art ny rap
Fa misy tsy mena-mitery ohatry ny lambo magneto-maty

Faly sa tsy faly fa ny ny fitenin'ny Rapko ity fa tazana
Tsy ho tapaka ny tanako ny nitazona ny penina no nafarako
Ity tongotra mby an-dàkana(mby an-dakana)
Tsy misy sakana fa:fakan'ny fototra ho tazana

Tsara ho azy ny "dibôné" fa mandrika ho azy ny tai-kafe
Fa Rasambilo hatreto miriksa foana enga anie!
Solon-tenan'ireo bandy kely représenty ny arabe sy ny Beara
Ho ela velona anie ny most sy ny fitombenako hipetrahako eny amin'ny làlana sy trôtoara,hifristiavan'ny bandy fm isaky ny rasoara.
Teny ratsiko aleo ho anahy fa ny kiana sy fitsaratsarana hoento any ho an'ialahy fa izaho hiraharaha!
Izaho tsy manana afatsy ny penina sy ny tasitra hoentiko amoakako ny alaheloko ato am-poko rangaha!
Ditrako aleo ho anahy fa asiako fanajàna Teniratsiko hoentiko mandram-pahalehibehiko akamako hatrin'ny fahazazana.
Izaho sy ny lohabeko iara-dàlana amin'ny fahadalàna
YO! Fa mbola asiko fanajana.

Faly sa tsy faly fa ny ny fitenin'ny Rapko ity fa tazana
Tsy ho tapaka ny tanako ny nitazona ny penina no nafarako
Ity tongotra mby an-dàkana(mby an-dakana)
Tsy misy sakana fa:fakan'ny fototra ho tazana

Ankehitriny aho tonga amin'ny fahefana,
Ranomaintiko no mitobaka eraky ny tanàna Penina sy tasitara midika pouvoir fahafahana sy gloire
Dia ny jiolahim-boto ohatranay no hifrist fm ohatr'izao isaky ny rasoara
Fomba malalaka mahalala fomba
Aleo ho anay ny fanajàna sy ny fahalalam-pomba fa ho an'ialahy mpikiana sy mpakahala io ny tromba.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sambilo & Yaroun
Vangy : 1322
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2015 13:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745