Hard Core (Sambilo & Yaroun)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mirapy aho tsy an-jaza fa:hard core!
Mafy orina tsy ho rava fa: hard core!
Asa-soratra am-bava ka: hard core!
Hard core! hard core!

Tsotra ho an'ny akama, ka mievitra fa tsy mahalala;
Ity mozika sahala amin'ny fianakaviana sambatra amin'ny alalany.
Tsy afaka aminy,tsy ho famoretana fa...fa fijery.
Amin'ny manodidina fosika ireny.
Ka ilaiko ny toetra,ahalalako ny sarona-tavany
sao sandoka ny vona-tady hifamatotra tsy tafa hifanatri-tava.
Amiko:raha misy ny làlana,ka misampana ity alehako;
tsy ilaiko ny tànana raha toa ny fitsikin'ialahy aza takona.
Tsy misy nenina.Sahala amin'ny fiteniko andavan'andro no tazako.
Ireto akamako! niaritra ny andro may,nanatevin-daharana.
Fa ity tafika samy hafa,samy manana ny hanitra ho azy
fa noho ny P/R/A mafy dia iray tsy misy tomika.
Mitsitoko,fa toa tokoa soa fa nisy ny valin-kasa
fa nifantoka amin'ny fahombiazana raha nikasa,tsy nihafa.
Fa miaina amin'ny mazàna tsy ilaina fitsarana ivelany
fa ilafika amin'ny mahazatra YAROUN no tazana.
Raha ela niafina teo amin'ny asa soratra,
soratra tsy tapitra fa efa nakako bahana ny mipetraka eo amin'ny MIC.
Tekinika ny MIC.Tsy ho fonosana anaty fitafy fotsiny
no tena hilofosana fa ny saina ho atevina
amin'ny fomba fijery tsy tahaka ny efa fahita.
Misy fosika ny ankabeazany.Ity tontolo mafy hozonina.
Tsy mitsara aho fa mahatsapa ny zava-misy tsy ho kobonina.
Fa fitaka,ny rivotra mandalo,iantsapazan'izay tsy mahalala;
ekeko hoe: "kanto" fa fôsika ialahy tsy misy hevitra fa mikisana.
Dieny izao,hamafiso ny dia.Tsy hikipy na hijery mihemotra
fa tsy hidefôrma hatramin'ny fandeha raha toa ka filàna ivelany no
hita.
Ô ry akama soa ô ! soa fianatra re tompoko ô!
Raha sarotra amin'ialahy ny manavavaka,ity ny tanako azo hifaharana.
Afaka hisainana izay voalaza fa ny bandy tsy ho tapenam-bava...
fa fohy fisainana izay tsy mahatsapa ny fihodin'ny "MOVE" eto Dago.

Raha mirapy aho tsy an-jaza fa:hard core!
Mafy orina tsy ho rava fa: hard core!
Asa-soratra am-bava ka: hard core!
Hard core! hard core!

An!dia ho kôpy izay ho tonga saina fa ny ritsoko ity no nafafy...
dia ho lafatra ny kolontsaina raha toa ka ny kôfa no vonon-kiafy.
Mijajika ny asa-soratra,hikalo ny venty tsy tambo isaina.
Na ho vovoka ho faty ny vatako ho lo fa tsy ho levona ny kolontsaina.
Tsy ho lefy ny fanatsarana ny teny natao hoe:"hitondra izay zaka
amin'ity kalitao tsy ho resin'ny ampitso ny vita androany ka
visavisao".
...dia efa ity:ny asa-soratro ijajika kobokobony fitia
ka aoka itsy,fa izay mivadika gadona anisan'ny ondry nania.
Ka ny lesoka aleo hotanisaiko,ny ho avin'ny RAP no tsy aiko.
Ny " MIC " no otàna fady ka aiza no tsy ihinan'ilay nolazaiko.
Tsy ho fofon'ialahy ny aiko (aiko),tsy ho fefen'ialahy koa ny saiko
(saiko)!
Ny vavan'ialahy akombony fa ny fiovan'ialahy no ilaiko.
Nandalo ny fotoana,nisedra ny mafy ny asa-soratro mbola mijoro.
Ny Rap no voany hotazana,ny HIP HOP no hazo fehizoro.
Fa tsy ho jamban'ny fiafaràna ny lalan-kizoran'ny mason'ireo MC
amin'izay ombana ka tazatazanin'ny lasa ampangain'ny fihetsiny omaly.
Nahalalàna ny fihetsiny ratsy ka mihoatra an'ireo maripàna,
nahatsapàna ny fitodiky ny saiko:"Pi-maso ho an'ny bandy akama!"
Ny ranomaitiko mbola nifafy tsy ho voasakan'ireo mpanohatra
fa SAMBILO sy YAROUN raha maty mbola mendriky ny ho :
"Maritioran'ny asa-soratra"

Raha mirapy aho tsy an-jaza fa:hard core!
Mafy orina tsy ho rava fa: hard core!
Asa-soratra am-bava ka: hard core!
Hard core! hard core!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sambilo & Yaroun
Vangy : 1262
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2015 13:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074