Lasa aho (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa aho lehiretsy , aleo hangata-dalana
Lasa aho lehiretsy , Tsy milamina ny tanàna
Lasa aho lehiretsy , Andeha fa tsy tamàna
Lasa aho lehiretsy , Mifamono ny mpiray

Hitondra vovon-tany aho ho vatsy mandra-pody
Tsy handrotsa-tomany aho na koa hiantso tody
hoany an-tsesitany aho hiala kely aloha
Indray andro any angamba hitodi-doha

Ry tanindrazako marary anie ny fo
voatery ilaozako noho ny fahatahorako
Ry tanindrazako marary anie ny fo
voatery ilaozako noho ny fahatahorako

Lasa aho lehiretsy , fa niova be ny tanàna
Lasa aho lehiretsy , feno fifankahalana
Lasa aho lehiretsy , rava ny fihavanana
Lasa aho lehiretsy , Aoka fa resy aho raha hifampikasi-tanàna

J'ai pris à deux mains , un peu de poussiere
Qui sait si demain, je reverrai mes terres

ô RAZANA, je vous dis adieu, mes aïeux

Hitondra vovon-tany aho hataoko fanafody
Averiko ihany any andro iray tafody
Ilay sarinao kanto ery taloha
Ao andohako aho vatsiko ato am-po

Ry tanindrazako marary anie ny fo
voatery ilaozako ny fahatahorako
Ry tanindrazako marary anie ny fo
voatery ilaozako ny fahatahorako

Lasa aho lehiretsy (x8)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RalitaTanjona
Daty : 23/03/2026 07:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2023