Gasy tia fihavanana (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soatoavintsika gasy ny fihavanana.
Tokony fikirina fa tsy ho tsipahina.
Ireo razantsika ve nahavita niray saina,
Dia isika zanaka amam-para no hitsipaka ?
Ny toe-tsaina mihintsy no tokony hovaina
Hifanaraka amin’ity soatoavina !
Tsy hifamono, tsy hifandringana fa hibanjina
Ilay teny ao amin’ny Soratra Masina
Hoe : mifankatiava ianareo
Fa izany ihany no mahatsara eto an-tany.

Ô ry malagasy ô ! Andao re ry malagasy ô !
Hiray saina fo amam-panahy.
Hifandefitra tokoa, hifampizara izay mahasoa,
Hifanohana na sarotra aza ny fiainana.
Ho filamatra amin’izay ilay teny tsara anankiray
Ilay atao hoe: FIHAVANANA.
Gasy ihany, gasy hatrany, tsy misaraka.
GASY TIA FIHAVANANA !

Tsisy manana ny ampy isika rehetra izao,
Tsisy mahavita tena raha toa ka hifandao.
Jereo izay mahasoa anao, ampio koa ny namanao !
Tsy aleo ve miaraka mifanohana izaho sy ianao ?
Ny firaisan-kina no nampandroso ny razanao,
Fa ny fialonana nampietry antsika izao.
Ilay Jesoa Tompo mihintsy no efa nanafatra,
Hafatra izay ao amin’ny Soratra Masina
Hoe: mifankatiava ianareo

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862