Tsy tantiko (Rebika)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tany aho nefa nahatsiaro sahiranaSatria namantana fahanginana
Tsy nahita n'iza n'iza, omaly hariva
Fotoana vita ny antsika nefa ianao tsy hita
Tena tsy hita
Ny harivan'ny alarobia, nahoana akia?
Nangata-panazavana aho kanefa
Nihodinanao, nilaozanao nilefa
Tsy tantiko intsony, ny toy izao
Na fanajana aza tsy nataonao ahy akory
Tena mba manorisory
Rehefa tsy tia dia tsory!
Inona anefa no anton'izao?
Tsy fantatro fa mba lazao e!
Raha misy hadisoako, ifonako.
Nefa raha tofoka tsotra ianao
Dia afaka mitsodrano aho
Fomban'ny olona tia mantsy no tsy ampy
Olona fatra-pandefitra anie aho
Fa tsy haiko mihitsy ny hatao aminao
Tsy mba mizotra mahitsy, asa mihitsy!?
Fa raha sendra tafaresaka indray
Zara raha misy minitra iray
Milaza fa maika foana
Tsy hay hoe ahoana?
Nangata-panazavana aho kanefa
Nihodinanao, nilaozanao nilefa
Tsy tantiko intsony, ny toy izao
Na fanajana aza tsy nataonao ahy akory
Tena mba manorisory
Rehefa tsy tia dia tsory!
Inona anefa no anton'izao?
Tsy fantatro fa mba lazao
Raha misy hadisoako, ifonako.
Nefa raha tofoka tsotra ianao
Dia vonona hitsodrano aho
Fomban'ny olona tia mantsy no tsy ampy
Nangata-panazavana aho kanefa
Nihodinanao, nilaozanao nilefa
Tsy tantiko intsony, ny toy izao
Na fanajana aza tsy nataonao ahy akory
Tena mba manorisory
Rehefa tsy tia dia tsory!
Inona anefa no anton'izao?
Tsy fantatro fa mba lazao
Raha misy hadisoako, ifonako.
Nefa raha tofoka tsotra ianao
Dia vonona hitsodrano aho
Fomban'ny olona tia mantsy no tsy ampy
Inona anefa no anton'izao?
Tsy fantatro fa mba lazao e
Raha misy hadisoako, ifonako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RebikaVangy : 107
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Niconiks2212
Daty : 16/11/2025 10:31
