Ny any an-tanàna (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia mamy aza ny any an-tanàna,
Indrisy fa voatery ialana,
Dada sy Neny mba fihantahantana,
Zoky sy zandry natao fanalana,
Rasipakely lay nahatamana, tsy hadino.
Tsy hadino na dia ela tsy hita aza, tsy hadino
Indray andro any mbola hifankahita, izaho mino.
Tsy hadino irony andro fiasana
Fahasahirana amin'ny fanetsana
Ny hafaliana eo ampijinjana
Ny valin-tanana any mbola higagana
Ny rivotra any mahasalama, tsy hadino
Maniraka mantsy ravola mazàna, indrisy!
Tsy misy azy mantsy ny any an-tanàna, tsy misy!

Ny amorompatana isan-kariva,
Fatratra ery tsy fahita aty
Ny veromanitra sy fofon'ôliva
Mbola fy!!
Ny ramanonaka ilay vao mafana
Matsiro ery, tsy ohatra ny aty
Ny haninkotrana any leo dia hialana
Mbola mamy.

Na dia maro aza ny faharavana,
Corona, andiam-balala ô,
Manampy trotraka ny efa fahantrana ,
Tsy afa-manoatra hono Rafanjakana
Mbola mahatoky Anao ry Tompo hivavahana, mahatoky
Tsy traboina ny finoako handroso, atsy ho atsy,
Ny herin-tsaina sy ny zoton'ny foko, hifanampy.
Fa raha mba izaho no lasa Ben'ny tanàna  
Tsy maintsy ho avotra ianao ry akama ô
Jiro sy rano aloha tsy hisalasalana
Ny lalantsika koa ho ara-dalana
Ny mponina amin'izay ho tamana, satria
Ho foanana avokoa ireo dahalo mpandroba
Haverintsika ihany koa ireo takalo e, ka hiova

Ny amorompatana isan-kariva,
Fatratra ery tsy fahita aty
Ny veromanitra sy fofon'ôliva
Mbola fy!!
Ny ramanonaka ilay vao mafana
Matsiro ery, tsy ohatry ny aty
Ny haninkotrana any leo dia hialana
Mbola mamy (2x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 1287
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 18/06/2021 14:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.069