Manjombona (Rebika)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao niandoha d'efa voa izyReran-tsaina, mahatsiaro kivy
Lay ray nantenaina ho fitaratra
Mamo lava, mandry an-tatatra
Lay reny natao mba hiteny
Lavo fa resy
Kitoatoa, tandrevaka foana
Ny ao an-trano reraka noana
Ireo ankizy toa miandry loza
Hoe ho avy i Dada hivimbina kitoza
Ny sitrapo no tanjona mba fantany
Ory ny ankany.
Fiarahamonina potika
Fisainana iva, rotidrotika
Zakaina irery ny enta-mavesatra
Zay kely hery, mitotongana
Fiainana hazakaza-dava
Havany aho raha misy patsa
Rakalakely mivadika ho tsena
Ka n'iza n'iza, vola ka nekena
Ny henatra tsy takona afenina
Efa vay an-kandrina
Very zo i Neny takona
Ny vady mba nekeny zary poizina
Razazavavy velona tsy nahay
Reo telo lahy kamboty velon-dray
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : RebikaHits : 124
Likes : 0 Like
Created by : Niconiks2212
Date : 16/11/2025 06:16
